ALA AVO

Izaho tsy tonga handripaka ny voankazo
izay atolotrao ery an-tendro-tsy tratra,
ho an'ny firenen'ny kintana sy ny fokon'ny rivotra ;
tsy tonga koa mba handramatra ny voninkazonao mbola tsy hitako,
mba hiakanjo aminy sy hanakona henatra tsy fantatro,
izaho, zanaky ny tendrombohitra ringim-bolo.

Saingy tsaroako tampoka tamin'ny torimasoko farany
fa mbola mifatotra amin'ny vahin'ny alina
ilay lakana tranainin'ny angano
izay nampita ny fahazazako isan'andro
teo amoron'ny hariva ho eo amoron'ny maraina,
teo amin'ny tanjon'ny volana ho eo amin'ny tanjon'ny masoandro.

Novohiziko izy, dia inty aho eto aminao, ry tendrombohitra hazo !
Inty aho tonga hanadina ny fanginanao tanteraka,
mba hitady ny toerana ahafoizan'ny rivotra
alohan'ny hamelarany elatra loaka any aminay,
loakan'ny harato midadasiky ny tany hay
sy ny fandriky ny tanàna misy olona.

Inona no reko ? Inona no hitako, ry ala avo ?
Injany feo very, hita dia very indray,
toa ony ao ambanin'ny tany
vinakim-borona jamba lehibe
izay lasan'ny onja maria
halevina any ambanin'ny fota-mandrevo.

Ny fiainanao izany, ny fiainanao lalina
sy efa manano-sarotra toy ny an'ny lahiantitra
miakatra ny fiakaran'ny fahatsiarovany
eo am-pidinana ny tehezan'ny andro ho ritra.
Ny fiainanao sy ny an'ny voronao tsy hita isa,
sy ny an'ny rantsanao raotin'ny fokon'ny apokalypsa iray manontolo.

Fa inona kosa no mety ho hitako anaty alinao tsy misy loko,
ao anaty alinao mandrakizay noho ny fahafatesan'ny tsara fanahy,
sy noho ny fiainan'ny olo-mijaly,
ry lavabato ravinkazo mi-lany any amoron-dranomasina angamba,
ary mi-lany any amin'ny hantsan'ny vodilanitra,
ry toa ava-mpampitohy tany roa ?

Tsy hahita afa-tsy ny masoandro mitroatra aho,
— mitroatra eny amin'ny kirihitry ny hany toa lambo voalefona —
lambo-fahazavana voatanan'ny fandrika mahery
velarinao eo ampovoam-boankazo masaka sy voninkazo maharitra,
ery ambony, ery amin'ny farany indrindra
azon'ny fahaizan'ny tany sy ny herin'ny hazo mifankahita.

Nefa, any aoriana, na dia efa nisy andro tsy hita isa
toy ny ravinao mifandimby aza no efa nianjera any amin'ny mandrakizay,
na dia efa nisy alim-pito mihoatra noho ny im-pito aza nanatevina ny alin'ny fotoana,
raha mbola azoko atao koa ny mioty ny maraina mamony
ao amin'ny taho tapaky ny hariva,
dia mbola ho voatahiriko ny fahatsiarovana ny fanginana sy fahazavanao hafahafa.

Ho toy ny vatokilonjy voatsipy teo amin'ny fasika izy,
ary tsimponin'ny mpiantsambo tranainy,
dia entiny mody ka apetrany eo ankilan'ny akoran-
dakankely izay misy fandanjany,
novinidy tany amin'ny nosy lavitra izay honenan'ny nofy irery,
nefa misy tranobongo manamorona ny ranomasina.

Fa ho toy ny vongana hazo mainty indrindra izy
na volombodimpòna, na hazo sarobidy hafa ;
izay hapetrako eo ambony latabatro,
ka hosokirin'ny fahatsiarovana anao amam-paharetana
mba ho tonga mohara iray misy maso fitaratra,
mohara mangina eo ampovoan'ny bokiko.

HAUTE FUTAIE

Je ne viens pas pour saccager les fruits
que tu tends, sur tes cimes inaccessibles,
au peuple des étoiles et à la tribu des vents,
non plus pour arracher tes fleurs que je n'ai jamais vues,
dans le but de m'en vêtir ou d'en cacher quelque honte que j'ignore,
moi, l'enfant des collines arides.

Mais je me suis soudain souvenu dans mon dernier sommeil
qu'était toujours amarrée avec les lianes de la nuit
la vieille pirogue des fables
qui tous les jours faisait passer mon enfance
des rives du soir aux rives du matin,
du cap de la lune au cap du soleil.

Je l'ai ramée, et me voici en ton cœur, ô montagne végétale !
Me voici venu pour interroger ton silence absolu,
pour chercher le lieu où les vents éclosent
avant d'ouvrir des ailes trouées chez nous —
trouées par le filet immense des déserts
et par les pièges des villes habitées.

Qu'entends-je ? Que vois-je, ô haute futaie ?
Voici des sons perdus qui se retrouvent et qui se perdent de nouveau
comme des fleuves souterrains
passés par d'énormes oiseaux aveugles
qu'emporte le courant rapide
pour être ensevelis sous la vase.

C'est ta respiration, ta respiration profonde
et déjà pénible comme celle d'un vieillard
qui gravit la côte de ses souvenirs
tout en descendant la pente des jours qui vont tarir.
Ta respiration, et celle de tes oiseaux innombrables,
et celle de tes branches broutées par tout un monde apocalyptique.

Mais que puis-je voir dans ta nuit sans couleur,
dans ta nuit plus éternelle que la mort des vertueux
et que la vie des misérables,
ô grotte de feuilles dont une issue se trouve peut-être au bord des mers
et l'autre dans l'abîme de l'horizon,
ô toi qui es pareille à un arc-en-ciel reliant deux continents ?

Je ne verrai que le soleil qui se débat,
— comme un sanglier sagayé dans les buissons de l'azur —
sanglier de lumière pris dans les rets puissants
que tu tends au milieu de fruits mûrs et de fleurs durables,
là-haut, là-bas, à l'extrême limite
où le génie de la terre et la force de l'arbre peuvent se rencontrer.

Mais, plus tard, bien que des jours aussi innombrables
que tes feuilles successives soient déjà tombés dans l'éternité,
bien que les nuits septuples aient plus de sept fois épaissi la nuit du temps,
tant que je pourrai cueillir les matins en fleurs
au bout de la tige brisée des soirs,
je garderai toujours le souvenir de ton silence et de ta clarté étranges.

Il seront comme des galets projetés sur le sable
et ramassés par un vieux marin
qui les emporte chez lui et les place près de la coque
d'une minuscule pirogue à balancier
achetée dans une île lointaine que le rêve seul habite,
mais où des cabanes bordent la mer.

Ils seront plutôt comme des billes d'ébène,
de bois de rose ou d'autre essence précieuse
que je mettrai sur ma table
où ton souvenir les sculptera patiemment
pour en faire des fétiches aux yeux de verre,
des fétiches silencieux au milieu de mes livres.